BIOGRAPHY NEWS GIGS THE MUSIC GALLERY BOOKINGS LINKS CONTACT

1. Fomba

Fomba ne lelahy ro endry
Fomba ne lelahy ro aba
Antany lavitr'aty mitadia

K'aza omenga tsingy iaho ro endry
K'aza omenga tsingy aho ro aba
Antany lavitr'aty mitadia

Izaho miaritry nge mafi mizaly
Anatany lavitr'aty mitadia

Angembongy aho ro tsy manang'elatra
Hipetrak'aho izany lavitr'avangy angy
Antany lavitr'aty mitadia

Izany e fomba ne lelahy ro aba
Izany e fomba ne lelahy ro endry
Fombe fomba, fomba e! e!

Living our destiny



2. Anao zalahy

Anao zalahy e
anao zalahy e
mila vadin'olo
fa tsy fantatrao ro
e raha ahazo anao

lo ano ity e
lo e maharatsy nge vamba
lo ano ity e
Da vangoy ny nama lo anao ity e
Da vakivaky nge vava lo anao ity
Afabaraka ame zaza

Don't take away someone else's heart



3. Celestina

Celestina mpangifiri-ko
izay nizaka taminao
Aza atao tsinotsino
ny fitiavako anao
Ndre da misy e mpangaratsy
Aza araingy aby izany
Aza atao hakivy anao ro
Fa aminao avao gna gneritreritra

Celestina aza atao sagnisangy
ny fiavako anao
Mino zaka n'olo
gno everako anao magna.

Celestina stay true, ignore what the others say



4. Zanakao rafoza 2

Very e lakile nay maro
Very angala-tay e!
Zanimbady nay very angatin-day

Tsy havanay Dero!
Tsy havanay izy e!

Zanakao rafoza
Nangatahiko aminao
Zanakao rafoza
Nibohaiko aminao
Zanakao rafoza
Taratara aminahy

Can i take your most
treasured posession,
your daughter as my bride




5. Any anao

Angy anao ro alavitra angy
Ndre alanao aho tsy amono-tenga

Itako anao mamilafila
Ndre alanao aho tsy amono-tenga

Zakaninolo nandalo aty e!
Lasa anao nanambady
Lasa anao andrangoniolo

Angy an'izy e zalahy
Angy an'izy e zalahy
Angy an'izy e lasan'olo
Angy an'izy e lasan'olo
O! Artine e modia
O! Artine e modia

Love me or not I don't care



6. Fitiavana

Fitiavako anao naniko angaty e!
Dre da nivoniko tsy mety maty e!
Fa iaho dia mangatenga fitia volamena
Na inogna hidonga na inonga hiantra
Angilan'ano ny foko vao hoafaka ny ratra

Endriko, o! o! o! endriko, Endriko, endriko

Nizakaha anao mamalia
Fa marary e makatia
Isan'andro lava izao ng'eritreritre
Aminao angy iraiky avao o!
Endriko, endriko

Diamond love



7. Mavy

Viavy malay atsiragna
Aniny e sary marary
Viavy malay hatoria
Aniny e sary mangelo!

Loza e! zalahy loze e! e!
Loza e nahazo loze e! e!

Toniny e! e! e! toniny e gna
Toniny e! e! e! toniny e ro
Mieriky gn'adro tsy lalako aby e!
Te ahita anao nga sahira ng'aiko
Nefa izao o! mandaha ana anao
Toniny e!

Bad situations caused by one person,
her name, Toniny




8. Tsara

Tsarasara e manambady e
E be! Be! e loharavy e
Laha mivahiny da manangy asy e

Tsarasara e misakeza
Hondanany aby e tanga tenga!
Laha amininy dimy da mody itenga

Oh Tsarasara, oh nge manambady e
Oh Tsarasara, oh nge misakeza
Oh Tsarasara, oh ng'amorondrano
Safosafo avao sy orokoroky e!

The sun, teh sweet smell, the sky, the
feelings that I'm with you




9. Kopaka

Kopakopak'elatry e e
Nge vorondranomasy e e
Laha tianao izaho omeo taratasy e

Malahelo o o malahelo o o
Malahelo aho ro tia hikoranga aminaho atsia

O mbaly e
Izaho tia
O keny e
Izaho ngoma

Express your love



10. Hoaminao

Tsy harary e!
Tsy harary aho ro
Tsy harary nga
Hody aminao aho tsiny e
Hody aminao aho nga a
Hody erony e
Hody e tsiny e

Ho angy aminao
Ho angy aminao o! o! o!

Pou eise pedi mou
Pou eise moro mou

Agalitsa a!
Kai filakia a!
Ela na se kano makia!

Volango amininy tiako angy aho o
Volango amininy tiako angy aho e
Iaho e makatia
Makatia anazy e
Mijoro amoron-dala
Iaho e lasa adala
Mijoro amoron-dala
Iaho e mitady anazy e

Hoaminao angy e
Haominao angy e

Hody aminao aho ity
O mbaly e

Hody aminao aho nga
O keny e

Hody aminao aho ity
O mbaly e

Hody aminao aho nga
O keny e

Volango amin'ny tiako angy e
Volango amin'ny tiako angy aho
Iaho e makatia
Makatia anazy e
Mijoro amoron-dala
Iaho e lasa adala
Mijoro amoron-dala
Iaho e mitady anazy e
Mijoro amoron-dala
Iaho e lasa adala

Hoaminao ange
Hoaminao izaho ity
Hoaminao ange
Moro mou
Hoaminao ange
Pedi mou
Hoaminao ange
Agalitsa
Hoaminao ange
Filakia

I see you, I want you, I'm coming
for you




11. Piripiky

Believe in your God